<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Izao manatrika Anao FFPM706</title>
<lyrics>[V1]
 Izao manatrika Anao,
 Ry Jesosy, izahay,
 Indro tokantrano vao
 No hoarina indray.
 Izahay mangataka ;
 Ny tsodranonao omeo,
 Ka avia hanapaka
 Ny fiainan'izy ireo.

[V2]
 Ho Kristiana velona
 Anie ny zanany,
 Ho vavolombelona
 Fa Anao ny tenany.
 Aoka mba hamiratra
 Ny filazantsaranao,
 Velona hanaraka
 Ny fonay ka hazavao.

[V3]
 Ka ny fiangonana
 Hanompoanay Anao,
 Hanana olom-banona
 Faly ny hiasa ao.
 Antenainay marina,
 Fa Hianao hanohana
 Izay firaisa-masina,
 Hisy fahasoavana.</lyrics>
<hymn_number>706</hymn_number>
</song>